♦ Baolina kitra, fifanintsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2023, hihaona amin'i Centrafrique eny amin'ny Kianjan'ny Barea anio tolakandro, ny Barean'i Madagasikara... ♦ Hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona vaovao amin'ny mpiara-dia aminy, eny amin'ny Boriboritany fahenina Antananarivo Renivohitra, ny sabotsy izao ny antoko TIM tarihan'ny Filohany Marc Ravalomanana... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny herinandro ahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 marsa 1947...
Ny Eglizy katôlika dia isan'ireo manao ny ezaka sy mandrisika ny mpitondra sy ny tompon'andraikitra isan-kajiny mba afahan'ny maneho hevitra. Ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia isan'ireo singa hampandrosoana ny firenena. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 23 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)
♦ Tsy midika fa hampitony ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fanomanana ny fifidianana, ny fampihaonan'ny CENI amin'ny zoma, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Natomboka androany, ny herinandro hanamarihana ny faha-76 taonan'ny tolo-panafahana 1947... ♦ Androany 22 marsa no Taom-baovao malagasy, ho an'ity taona 2023 ity. Nakotroka ny fanomezan-tsodrano sy ny fihinanana vary amin-dronono tondrahan-tantely, ho an'ny teny Mahamasina, nandraisana izany taom-baovao izany...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco