Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.

♦ Efa miroso ao anatin'ny dingana fifampizarana, ireo mpandray anjara amin'ny "Sinaody Eglizy Miara-dia", dingana kaontinantaly... ♦ Namoaka tenimita ho fampahatsiahivana sy ho fampiharana avy hatrany, amin'ny tsy maintsy hanajana ireo fitsipika, toy ny fananganan-tsaina any am-pianarana, ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara kosa, ny 5%-n'ireo karazan-java-manana aina dia, maneran-tany. Akalazaina anio ny Andro maneran-tany ho an'ny fiainana dia...

Efa tsy azo ihodivirana ny firoborobon'ny tontolo nomerika noho ireo voka-pikarohana vaovao sy ireo teknôlôjia nomerika. Misy fanabeazana tsy maintsy atao anefa mba hanafoanana ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy amin'ny fahafahana mirotsaka sy misehatra ao amin'ny tontolo nomerika.

Ny firotsahana an-tsitra-po sy fahavitrihana eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina no antsointsika etoana hoe- : fandrasiana andraikitra. Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy manao izay ho afany mandray anjara eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina. Adidy : ny firotsahana hiandany amin'ny fandriam-pahalemana, ny fandaminana ny fahefam-panjakana, ny fitandrovana ny tontolo iainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...