♦ Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny ivon'ny rivo-doza Freddy tamin'ny 5 ora maraina teo. Hihena hatrany ny heriny amin'ity anio ity, ary tombanana hivoaka any amin'ny manodidina ny Distrikan'i Morombe anio tolakandro. Efa foana ny filazana loza ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Efa namoizana ain'olona iray sahady, omaly hariva, noho ny rivo-doza Freddy, ny tany Mahanoro. Mafy ny fahavoazana tany Mananjary, izay nidiran'ity rivo-doza ity, An'aliny ny tra-boina any Vatovavy... ♦ Ny ministra miisa 05 amin'ireo ministra 08 vaovao, no efa nandray ny fitantanana ny ministera omaly, taorian'ny famindram-pahefana...
Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Alarobia 22 febroary 2023 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
♦ Hiditra ao amin'ny Distrikan'i Mananjary, afaka ora vitsy ny foiben'ilay rivodoza Freddy. Tany amin'ny 70 km avaratra atsinanan'i Mananjary ny nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora hariva teo... ♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo Minisitra vaovao sy ireo teo aloha, tao aorian'ny fanovana mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiahiana hiverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy i Fitovinany indray ilay valan'aretina FVR mpahazo ny omby aman'osy ary ny ondry. Misy aretin-koditra mahazo ny omby ihany koa any amin'ny Faritra Diana...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco