Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Miisa 08 ny olona maty, takaitra navelan'ny rivo-doza nandalo teto Madagasikara. Olona 20 isa no tsy hita popoka, 46.000 isa mahery ireo traboina avy amin'ny Faritra 13 eto amin'ny nosy.... ♦ Miantso fifanampiana ny Evekan'i Morondava Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina manoloana ny takaitra nateraky ny rivo-doza... ♦ Ny 66% maherin'ny olom-pirenena afaka mifidy no tafiditra anatin'ny lisi-pifidianana amin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy tanterahan'ny CENI... ♦ Hamatsy fiara mifono vy ho an'i Ukraine ny amerikana sy ny alemana. Nanaiky handefa fiara mifono vy ihany ny mpitondra alemana. Balafomanga mahataka-davitra indray no angatahan'ny filoha Vlodymyre Zelensky...

Ny toeran'ny Fianakaviana any am-piangonana : fanomezan'Andriamanitra satrai ny tsirairay dia samy nahazo fanomezana ary dia tonga fanomezana ; Fiangonana fototra izany hoe Eglizy eo anivon'ny ankohonana. Ny fianakaviana dia loharano impoiran'ny fitohizan'ny taranaka ary feon'ny fiangonana.  Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Alakamisy 26 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...