Noho ny fahatongavan'ny Taona Vaovao 2023, dia mitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka kristianina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, Filohan'ny Eklesia Episkôpaly Malagasy, sady Filohan'ny FFKM
Amin'izao Taom-baovao 2023 izao sy Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana izao, dia manolotra ho antsika ny firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.
Ny lahika dia Kristiana vita Batemy rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Manana ny fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Mila mahay miara-miasa amin'ny Mpitondra ny lahika ary manaiky sy manaja ny rafitra. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Alahady 1 janoary 2023 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco