Mamondron-kery miaro ny tontolo iainana sy mitaky ny rariny sy ny  hitsiny amin'ny lafiny rehetra ho an'ny vehivavy tantsaha ireo vehivavy miantsehatra eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar". Fikambanana mitaky ny zon'ny vehivavy tantsaha amin'ny sehatr'asa ilofosany sy ny fiainany amin'ny maha-olona azy.

♦ Tsy marina ny vaovao niparitaka fa miandany amin'ny antoko pôlitika iray, ny Filohan'ny CENI, hoy ny Talen'ny Kabinetrany... ♦ Miisa enina isan-kerinandro ireo olona voatily ho marary voa eto Madagasikara. Marary 200 amin'ireo 10.000 tokony hanao dialyse no afaka manao izany... ♦ Mijanona eo amin'ny laharana faha-102 maneran-tany ny Ekipam-pirenena malagasy Barea, araka ny filaharana navoakan'ny FIFA...

Ho an'ny tsirairay ao amin'ny ankohonana dia tsara ny fikatsahana ny : firindràna sy filaminana mba hiteraka fahasambarana. Araraotina ny tonon-taona mba hanorenena fifanakalozana fijery miabo ary fiaraha-monina mampiombona. Hapetraka ny fitsipika ka asiana fotoana iaraha-maneho fa fo mitempo miaraka no ao amin'ny ankohonana. Ilaina ny fivoizana ireto soatoavina ireto:  fifankatiavana, fifampizarana, fiarahana matetika, fifankahafantrana, fiekena fahadisoa, fandeferana, fiaraha-mifaly anaty fahamarinana sy fifanajàna. Rehefa voahaja ny fitsipika, mirindra ny fiaraha-monina, milamina fifandraisana dia miseho mora foana ny fahasambarana ho an'ny ankohonana.

23 desambra — Teraka tamin'ny taona 1397 tao Kenty, diosezin'i Cracovie, i Jean de Kenty. Anne sy Stanislas no anaran'ny ray aman-dreniny, ary mbola zaza izy dia efa naneho toetra malefaka sy tia vavaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...