06 desambra — Teraka tao Patare, tananan'i Lycie tamin'ny taona 270 i Masindahy Nicolas. Fanta-daza tamin'ny fitiavam-bavaka ny ray aman-dreniny, ary tamin'ny fitalahoana am-bavaka no nahazoan'izy mivady ireo an'i Nicolas, satria tsy niteraka mihitsy izy ireo. Fa rehefa ela no nitalahoany tamin'ny Andriamanitra, dia nankatoaviny ny vavak'izy ireo.

Matahotra ny olona tia manambony tena. Matahotra ny vavan'olona manodidina azy izy ; matahotra ny hihoaran'ny hafa. Zava-dehibe ny fikatsahana ny hanana ilay hatsaram-panahy maha bitika satria avy amin'Andriamanitra izany. Zava-dehibe ny mangataka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka mba hanomezany antsika io hatsaraham-panahy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Talata 6 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14

♦ Mbola tsy nandray karama volana nôvambra hatramin'ny androany, ireo mpiasan'ny Antenimieran-doholona. Mandrahona ny hanamafy ny hetsika izy ireo ny alarobia izao... ♦ Very vola hatrany amin'ny 16 tapitrisa Dolara isan-taona, i Madagasikara, noho ny jono tsy ara-dalana amin'ny sisin-dranomasina... ♦ Ahiana hampahazo vahana ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin'ny asa fampihorohoroana, ny fitomboan'ny fifanakalozam-bola eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...