♦ Mihamafy ny fahatapahan'ny herinaratra vokarin'ny orinasa JIRAMA ho an'ny ao an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy ampy 65% ny solika ampiasaina araka ny fanazavana vokatry ny haratsian'ny RN2, hitanterana azy miainga avy any Toamasina... ♦ Tsy marina ny vaovao miparitaka fa feno marary ny hôpitaly vokatry ny fiparitahan'ny valan'aretina hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tokony hanao fitiliana ny tsimok'aretina cornavirus ireo olona ahitàna soritr'aretina mba hamantarana ny fitsaboana... ♦ Mitohy ny fandaharan'asa ara-tsiansa, ireo mivondrona ao amin'ny DPFB. Nanavao ny fiaraha-miasa ny FOFIFA, ny oniversite an'Antananariivo ary ny CIRAD...
♦ Ny alahady 12 febroary izao no hapetraka amin'ny toerana maha-Evekan'i Mahajanga azy i Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ. Efa fantatra ny antsimpirihan'ny fandaharam-potoana momba izany... ♦ Tsy tontosa omaly ny fandinihana sy fandanian'ny Loholona ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna taona 2023. Nitokona noho ny fahataran'ny karaman'izy ireo ny mpiasa tao amin'ity andrim-panjakàna mpanao lalana ity... ♦ Niverina nanakan-dalana indray nanomboka ny alakamisy teo ireo olona mitaky ny zo amin'ny orinasa QMM ao Taolagnaro noho ny fanelingelenana ny asa fiveloman'izy ireo vokatry ny fitrandrahana ataon'ny orinasa...
03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.
Ho antsika kristiana dia ny Fitiavana araka ny Evanjely ihany no hihainana amin'ny fiainana andavanandro. Voalohany amin'izany dia ny Fitiavana an'Andriamanitra ary ny faharoa dia ny Fitiavana ny namana. Ny vavaka no marika ho fitiavantsika an'Andriamanitra. Ny vavaka iombonana sy ny vavaka samirery no tokony himasoantsika mandrakariva. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco