♦ Niatrika Mpitsara mpanao famotorana indray androany, i Mahery Lanto Manandafy... ♦ Hifandimby ho henoina eny amin'ny PAC 67Ha, ireo Tale 32 ao amin'ny orinasa Jirama...
♦ Nandefa hafatra ho fankaherezana ny vahoaka Malagasy sy ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, mba hahay hifampitsinjo manoloana ny olana ara-piaraha-monina misy ankehitriny, ary mba hifanaja sy hanaja ny soa iombonana, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nanentanan'ny Papa François ny mpino rehetra, mba hivoaka amin'ny fahasahiranana ka hifoha, hamantatra sy hiarahaba ny Tompo, izay miafina ao anatin'ny toe-javatra mahazatra eo amin'ny fiainana...
♦ Very hasina ny raiamandreny, ny herisetra sy fisolokiana no lasa hery manentana ny tanora, hoy ny hafatry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Mbola mitohy androany ny fitsidihana ataon'ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry any Manakara... ♦ Nanamafy ny fisian'ny antsonjay ataon'ireo mpitantana sasany ao amin'ny orinasa Jirama, ny ministry ny angovo sy ny akoranafo... ♦ Nahafatesana olona miisa fito (07) farafahakeliny ny fihotsahan'ny tany nitranga tany Italie...
♦ Manana hafatra ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ho an'ny mpiantsehatra rehetra... ♦ Voaantsoa eny amin'ny fitsaràna eny Anosy anio i Mehery Lanto Manandafy na i Malama, taorian'ny fitazomana azy am-ponja, izay efa ho roa volana... ♦ Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ny solombavambahoakan'i Mahabo teo aloha i Leva. Manara-maso akaiky ny fizotran'ny raharaha ireo olona nitory azy... ♦ Mpanao gazety iray avy amin'ny BBC no voasambotra sy voakasi-tanana teo am-panatanterahana ny asany, nandritra ny fandrakofana ny hetsika nanoheran'ireo sinoa ny pôlitika Zero covid any Chine...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco