♦ Mitaky ny hametrahana ny filankevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina, ny vondron'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Lasa 300 tapitrisa Dolara ny vola hanampian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny fanarenana ny orinasa Jirama... ♦ Ny fahazoana loharanom-bola enti-mihetsika sy ny lalam-barotra matetika, no mbola sakana lehibe ho an'ireo te handraharaha eto Madagasikara...

Nankahery ny tanora hanaraka ny dia'i Masina Maria ny Papa François, mandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Tanora, ankalazaina amin'ny fetin'i Kristy Mpanjaka. "Niainga i Maria ka nandeha faingana" ( Lk 1,39), io no lohahevitry ny hafatra izay fanasana ny tanora, mba hitondra an'i Jesoa ho an'ny hafa, ka hitsinjo ny namana, amin'ny fanorenana fiaraha-monin'ny mpiray tampo, hanatanteraka ny nofy hiaina ao anatin'ny fiadanana. Fanolorana ny hafatry ny Ray masina ho an'ny tanora miaraka amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary

♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...

Hatao ny faha 26 nôvambra izao indray ny famafazana na ny fafy saraka amin'ity taom-pambolena 2022-2023 ity, eny Itaosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano. Fafy saraka na ketsa Saraka teknika fambolem-bary ahazoana vokatra tsara. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...