♦ Hotanterahana eto an-drenivohitra ny 7 ôktobra izao ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny asa tanana eto Madagasikara. Hamaritana ny paik'ady vaovao hampiroboroboana ny famoronana asa amin'ny alalan'ny sehatry ny asa tanana ny tsoa-kevitra hivoaka amin'izany... ♦ Homarihana ny 08 oktobra izao ny ivon'ny fankalazana ny faha 30 taonan'ny FAFIALA. Hotokanana amin'io andro io ny tsangambaton'ny faha-30 taona, dia fotodrafitr'asa tranon-dandy... ♦ Hampiditra mpiasa antselika hanampy ireo mpiasa ao aminy ny tranom-pirintim-pirenena noho ny fahavitsian'ny mpiasa kanefa ny asa atao mitombo hatrany hoy ny tompon'andraikitra...

Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Tsy eken'ny SYNAD ny fakan-kevitra amin'ny olom-boafidy mialoha ny fanendrena na famindran-toerana ireo mpiasam-panjakàna. Fanambarana nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana omaly... ♦ Tsy mbola misy voakitiky ny afo ireo angonoka izay arovana ao anatin'ny faritra voaaro any Soalala, hoy ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Vaovao diso ireo mivoaka amin'ny tambazotra sôsialy milaza fa maro ny biby arovana may any an-toerana... ♦ Tsy maintsy narafitra amin'ny "béton" ireo Tranovola sy Lapan'i Manampisoa ao anatin'ny Rovan'Antananarivo ho fisorohana ny loza mitatao amin'ny vakoka, hoy ny ôfisy misahana ny fanarenana...

29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...