Mifameno mandrakariva ny fanabeazana omena ao an-tokantrano sy ny omen'ny namana eny anivon'ny fiaraha-monina. Anjaran'ny ray aman-dreny niteraka no manampy ny zanany hahafehy tsara ireo sy manampy azy hahay hanavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy. Raha tsy izany dia handringa ny fiainan'ilay zanaka ka na haditra izy na hikombona tsy afaka hivelatra. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Alakamisy 29 septambra 2022 — Masina Michel, Gabriel, Raphaël, Arakanjely — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 47-51

♦ Tsy mbola misy voakitikitiky ny afo ireo angonoka izay arovana ao anatin'ny faritra arovana Baie de Baly, hoy ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy androany. Vaovao diso ireo mivoaka amin'ny Facebook, milaza fa maro ny biby arovana may any an-toerana... ♦ Tsy maintsy narafitra amin'ny béton ireo Tranovola sy ny Lapan'i Manampisoa ao amin'ny Rovan'Antananarivo, ho fisorohana ny loza mitatao amin'ny vakoka, hoy ny Ofisy misahana ny fanarenana androany... ♦ Tsy eken'ny SYNAD ny fakan-kevitra amin'ny olom-boafidy mialoha ny fanendrena na famindran-toerana ireo mpiasam-panjakana...

♦ Mamolavola ny lalàna hifehy ny famindrana taova ny eto Madagasikara ankehitriny. Efa vita ny fotodrafitr'asa hanaovana izany ary efa nahavita ihany koa fihofanana ny mpitsabo hisahana izany... ♦ Marihana androany ny andro eran-tany hiadiana amin'ny haromontana. Hoantsika eto Madagasikara, misy ny hetsika hanamarihana izany tanterahana eny Manarintsoa-Isotry ao Antananarivo renivohitra... ♦ Nitohy tao amin'ny Cisco Anjozorobe ny fizaran'ny Fikambanana Andry sy Fototra amin'ny fampandrosoana na ny A.F.F fitaovana ho an'ny mpianatra, Distrika maro no efa nisitraka izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...