♦ Notendren'i Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara omaly 27 septambra 2022 i Mgr Tomasz Grysa. Tsy niandry ela fa niarahaba azy noho izao fanendrena izao ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Mbola nomotsanin'ny Barea zandriny tamin'ny isa fito noho iray indray ny ekipam-pirenena atsy Seychelles omaly folakandro teny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina. Tany Maroc, resin'ny Barea zokiny tamin'ny isa telo noho iray ny ekipam-pirenen'i Benin... ♦ Miisa 2.300.000 ireo Malagasy voatily fa voan'ny tazomoka ny taona 2021 ka 547 tamin'izany no namoy ny ainy. Nitombo avo roa heny tamin'ny antotanisa nivoaka ny taona 2019 io tarehimariky ny olona marary io...

28 septambra — Niaina tamin’ny toanjato fahafolo i Wenceslas, Vratislav ny rainy, duc tao Bohême ary olona nalaza tamin’ny ara-panahy, Drahomira kosa no reniny, mpanompo sampy izy io ary nankahala tanteraka ny kristianina. Nanan-janaka iray antsoina hoe Boleslav ihany koa izy, izay nobeaziny tao anatin’ny fanompoan-tsampy.

Aoka ho tsapan'ny ray aman-dreny fa io zanany io dia manavaka tsara ny ao an-tranony sy ny fifaneraserany amin'ny mpiara-belona namany. Araka izany dia atao izay hahatsapan'ny zanaka fa samy manana ny hanitra ho azy na ny ao an-trano na ny any ivelany, ary samy manampy azy hivelatra eo amin'ny fiainany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

Alarobia 28 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 57-62

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...