15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.

Ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ombieny ombieny no tsara indrindra atao amin'ny zanaka lahy, fa tsy dia fananarana ara-moraly diso tafahoatra na fandidiana tsotra izao tsy hivoaka ny trano, na fandraràna tsy hiaraka amin'ny zanaky ny manodidina. Mila mitandrina tsara tsara ny ray aman-dreny fa famolavolana tovolahy ho raim-pianakaviana no atao. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Alakamisy 15 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50

♦ Tsy misy ambadika pôlitika ny fanaovana ny kopia faobe sy ny kara-panondrom-pirenena faobe, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany. Mbola mitana ny heviny ka mitaky fandaminana kosa ny SMM... ♦ Namoaka fanambarana manameloka marindrano ny fanasaziana ny Lehiben'ny Distrikan'Ikongo ny sendikan'ny SYNAD... ♦ Nandraisana fepetra ireo vola vahiny, izay efa tafakatra 494 tapitrisa dolara, tahirizin'ny tompony fotsiny any amin'ny banky...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...