Ny andro mangatsiaka no mampihetsika ny aretim-bavony, izany hoe ny vanim-potoana ririnina. Ny aretim-bavony dia misy karazany maro : mamaivay, fery anaty, mandrezatra lava, mitsakoahana lava, loaka na maratra na tapaka ny lalan-kanina, ny homamiadan'ny lalan-kanina na ny homamiadan'ny vavony. Ireo fambara mety hisy : maheno fivokonana na mikainkona ao anaty vavony, mamaivay, maloiloy ary mety hando, miziriziry. Ireo karazan-tsakafo mety hampiombo ny aretim-bavony : sakafo betsaka "épices", vinaingitra, toaka, fihinanana fanafody fanalana fanaintainana matetika tsy araka ny toro-mariky ny mpitsabo.

♦ Voasambotra androany maraina teny Behoririka ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM Riana Randriamasinoro. Nosakanan'ny mpitandro filaminana tsy afaka niditra tao amin'ny Magro Behoririka ireo saika hanatrika ny fihaonambe ho fanavotam-pirenena nokarakarain'ny RMDM... ♦ Tokony hamaly ny antson'ny FFKM ny amin'ny hisian'ny fiaraha-midiniky ny ankolafin-kery samihafa ny mpitondra hoy ny antoko FIAM... ♦ Misedra olana maro ireo kaominina misitraka tombontsoa amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany hoy ny vovonana OSCIE. Tokony halefahana ny fepetra ahafahan'izy ireo mahazo ny anjara vola amin'izany...

♦ Miantso an'ireo antoko politika tsy ankanavaka hifampidinika manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Hery Politika Mitambatra. Tsy ho vitan'ny fitondrana irery ny fanarenana ny toekarena hoy ny HPM... ♦ Hihaona eny amin'ny Magro Behoririka anio ny RMDM sy ny antoko mpanohitra miara-dia aminy. Tsy hilefitra fa hiroso amin'ny fampiharana ny lalàna ny tompon'andraikitra raha vao misy ny fihoaram-pefy hoy ny prefen'Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo... ♦ Nitokana fotodrafitr'asa maro tany Mahajanga ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Isan'izany ny biraon'ny BNGRC ao Amborovy...

23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...