Misy karazany maro ny aretina mety ahazo ny tranon-jaza eo amin'ny vehivavy, mba tsy ho tara loatra ny fitsaboana dia tsara ny manantona ny mpitsabo raha vao misy tranga hafahafa eo amin'ny amin'ny manodidina ny kibo sy ny fivaviana na rera-dava. Ireto misy karazan'aretina : Endométrite, fibrome, omamiadan'ny tranon-jaza sy ny vozon'ny tranon-jaza, tsy fahatomombanana ao amin'ny tranon-jaza. Misy tranga tokony ampiahiahy ireto, izay tokony handrisika ny vehivavy hitsabo tena : mandeha ra tsy ara-potoana, manaintaina ny andovania, manana olana amin'ny fivalanan-drano sy vetiny...

♦ Nanolotra masomboly vary fototra, 8 taonina ho an'i Madagasikara ny Africa-Rice na ny Foiben'ny vary aty Afrika... ♦ Simba ny 30% ny lavanila any amin'ny Faritra Sava, indrindra ny any Vohémar, tratra aoriana loatra ny fotoana fisokafan'ny tsenan'ny lavanila... ♦ Ankidona Fianarantsoa : Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo vehivavy roa tompon'antoka tamin'ny fahatratrarana sokatra miisa 91, taoa Ankidona-Fianarantsoa...

♦ Tsy mbola izao no hiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasika na dia tsy maintsy hiakatra aza izany, fa mbola aorian'ny fifanarahana ataon'ny mpitondra fanjakana sy ny ireo mpandraharaha amin'ny solika. Ampy tsara ihany koa ny tahirn'ireo karazan-tsolika ampiasaina eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 1.000 ireo olona nisoratra anarana maniry ny hahazo ny trano mora eny Imerintsiatosika, raha toa ka 320 no isan'ny trano vita eny an-toerana... ♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny parlemantera, tsy misy krizy politika eto Madagasikara ka tsy misy antony hanaovana ny fiaraha-mitantana na ny fikaonandoham-pirenena hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ; niantso ny Malagasy hiray hina sy tsy hifankahala ny filohan'ny antenimieran-doholona...

02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...