♦ Mihaona amin'ny Loholona eny amin'ny lapa maitson'Anosikely indray androany ireo mpikambana ao amin'ny governemanta taorian'ny fihaonana tamin'ny solombavambahoaka nandritra ny roa andro... ♦ Mitotongana hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny vidin'ny iray kilao amin'ny lavanila maitso any amin'ny distrikan'i Mandritsara... ♦ Hifarana anio ny fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy tamin'ity taona 2022 ity. Maro ny hetsika nanamarihana izany... ♦ Misedra olana amin'ny famatsiana herinaratra ny atsy Afrika atsimo. Zara raha misy adiny enina isan'andro ny fandehanan'ny jiro nanomboka ny talata...
♦ Nifarana androany tamin'ny 3ora maraina ny fihaonana teo amin'ny antenimieram-pirenena sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Ny loholona indray no handray azy ireo amin'ity anio ity... ♦ Nitrangàna fanafihana niampy fanolanana renim-pianakaviana niafara tamin'ny fahafatesana tao Ambohibary-Ambohimanga distrika Miarinarivo... ♦ Niverina nitokona indray noho ny tsy fandraisana karama ny mpandraharaha eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Miisa 4,7 tapitrisa ny mponina voakasika ny tondra-drano any amin'ny faritra Assam any Inde...
Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco