Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29
♦ Hiverina ny fanondranana volamena any ivelany, hihena ny hetra alaina amin'ny solika. Ireo no anisan'ny ahitsy amin'ny teti-bolam-panjakana 2022, nampahafantarina ireo Solombavam-bahoaka, teny Tsimbazaza androany... ♦ Mbola mahatsiaro ho maty antoka ireo mpitatitra, na efa hiakatra ho 1.000 Ariary aza ny saran-dalana ao an-drenivohitra, amin'ny volana jolay. Fitazonana aina tsy hahafaty ny asam-pitaterana ny vahoaka no mbola hiasana, hoy izy ireo... ♦ Olona valo indray no tra-tehaky ny Zadarimariam-pirenena, saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte, tany Nosy Be Hell Ville...
♦ Hisy andrana hatao ato ho ato amin'ny fampiasana an'i Bemolanga sy Tsimiroro, andrana hanaovana lalana 1km, hampiasana menaka mavesatra... ♦ Nohavaozina ny mpikambana anatin'ny CNV na ny filan-kevi-pirenena momba ny lavanila eto Madagasikara mba handrindrana sy hanesorana ny gaboraraka ao amin'ity sehatra ity... ♦ Anatin'ny fanamarihan'ny foloalindahy ny faha-62 taonany, sy ny faha-62 taona niverenan'ny fahaleovan-tena dia nanomboka omaly ny kermesin'ny mpitandro ny filaminana, izay tanterahina eny amin'ny Kianja Betongolo...
♦ Ho vitaina ao anatin'ny 10 andro ny fitsaràna ny taratasim-panadinana CEPE notanterahana androany... ♦ Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny tetezan'i Mangoky araka ny nambaran'ny ministry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry, nandritra ny lanonana fanombohana sy fampahafantarana ny tetik'asa hiarahana tamin'ireo mpamatsy vola... ♦ Mponina any atsimo manodidina ny 60.000 no nisitraka ny tetik'asa vonjy aina noho ny kere. Tetik'asa novatsian'ny governemanta avy any Pays-Bas vola manodidina ny 3.000.000 Euro...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco