Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 14 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48
♦ Mbola tsy nisy aloha hatramin'izao ireo olona voasambotra sy voaporofo fa voasaringotra tamin'ireo tranga fakana an-keriny tovovavy tato ho ato... ♦ Nohainoina tetsy amin'ny Bianco Ambohibao androany Andriamatoa Rakotovao Rivo. Nambarany fa tsy voafaritra mazava izay mpitory azy... ♦ Efa tokony hiomana amin'ny andiany manaraka amin'ny valan'aretina Covid19 ny tsirairay, hoy ny Mpitsabo nanaovana fanadihadiana... ♦ Hita tsy lavitra ny tranon'ny olona ahiahiana ho tompon'antoka tamin'ny tsy fahitàna ilay britanika mpanao gazety, ilay teratany breziliana tsy hita niaraka taminy, ny kitapo sy ny fitafian'izy ireo...
♦ Raha tsy misy ny fiovana dia ny Alakamisy 17 jona izao no atao ny fametrahana ny vato fototra amin'ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 na ny RN13, mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy... ♦ Ankora fototra fanaovana rongony mahery vaika, na "cocaïne de base" 18 gony no nodorana tany Tanandava-Toamasina faharoa tamin'ny sabotsy teo... ♦ Analiny ireo Malagasy nisitraka fitsaboana sy fitiliana maimaimpoana nandritra ny Caravane médicale tamin'iny herinandro lasa teo iny, izay nifarana tany Mahambo omaly... ♦ Nahatratra hatramin'ny 50° ny marimpana tany Californie tany Etats-Unis tamin'ny faran'ny herinandro teo...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco