Sabotsy 18 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

♦ Lalan'ny firaisan-kina, izay no hatao anaran'ny Lalam-pirenena faha-13. Natomboky ny Filoham-pirenena tany Ambovombe androany, ny fanamboarana ity lalana ity... ♦ Tsy mankasitraka ny fanenjehana sy ny fanakorontanana ny fitondrana ankehitriny ny VMF, ary tsy mankasitraka ny fikasan'ny mpanohitra, hanao fiaraha-mitantana... ♦ Miantso ny FFKM sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, handresy lahatra ny fitondrana amin'ny tokony hanatanterahana fikaonan-doham-pirenena, ny tanora RMDM...

Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.

♦ Mbola tsy hisy ireo mpianatra eny amin'ny Sekoly Katôlika, hifidy ny "Série OSE" amin'ity Bakalôrea ity... ♦ Malailay fonosana no sady sarotra ampiana ny fitondrana mijoro ankehitriny, hoy Sendikà SECES. Nanapa-kevitra ny hiverina hiasa ny Birao nasionaly na dia tsy nisy varany aza ny fitakiana... ♦ Tsy niandry ela ny fiverenan'ny herinaratra teny Itaosy, raha vao nanomboka nihetsika ireo mponina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...