♦ Alim-bavaka, Eokaristia Masina ary dia mivavaka, no nanamarihana ny faha-150 taonan'ny Masera FMA, tamin'ny 24 mey 2022... ♦ Nankalazaina ny alahady 22 mey 2022, ny taom-bolamena niorenan'ny finoana katôlika tao Andranomagnitsy, distrika Ambahikily, Morombe... ♦ Hotanterahana ny 29 mey 2022, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Arsevekan'i San Antonio, ny Papa François, tao aorian'ilay fitifirana nitranga tao amin'ny sekoly iray tany Texas...
♦ Paikady iray nampandroso an'i Japon ny fiaraha-mientan'ny rehetra, manaporofo izany fanomezan'ny mpitondra toerana ny mpanohitra, ao anatin'ny fitantanana... ♦ Nihatra nanomboka androany indray ny fanatsarana ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra, tao aorian'ny andrana izay natao omaly... ♦ Nosokafa amin'ny fomba ôfisialy teny Anosy, ny maraina teo, ny tetik'asa Mitsiry, entina hanohanana ny orinasa madinika sy ny salantsalany...
♦ Mbola mila hatrany amin'ny 70 taona mahery any vao hahatratra ny fandrosoana sy ny toerana misy an'i Rwanda ankehitriny i Madagasikara, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Nizarazara ny fanehoan-kevitra niainga amin'io fomba fijeriy io... ♦ 3 taona taorian'ny nampidirana am-ponja vonjy maika azy vao tontosa ny fitsarana an'ilay mpandraharaha akaiky ny fitondrana teo aloha, Rajaonah Mbola. Naharitra 20 ora ny fotoam-pitsarana ary voaheloka higadra an-tranomaizina 5 taona izy... ♦ Anio no hanainga ho an'i Ghana ny ampahany voalohany amin'ireo delegasiona malagasy hiatrika ny fifanintsanana amin'ny CAN 2023. Niantso mpilalao hafa indray i Nicolas Dupuis taorian'ny tsy fahafahan'ireo mpilalao nantsoiny teo aloha...
Andriamanitra no tompon'ny Aina. Jen 2,7 : Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. Job 27,3 : raha mbola manana fofon'aina ihany koa aho, ka mbola eo am-bavoriko ny fofon'ain'Andriamanitra dia tsy hisy tsy marina hotononin'ny molotro sy tsy hanonin-dainga ny lelako.... Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco