♦ Miverina tsikelikely ny sidina ho an'ny zotra anatiny sy iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara taorian'ny fotoana nisokafan'ny sisin-tany... ♦ Hoampiasaina amin'ny fandoavana ny vola fisotroan-dronono sy ny karaman'ny mpiasam-panjakana ny karatra e-poketra. Ny mpiasan'ny paositra Malagasy no hisantatra izany ny volana jona izao... ♦ Nandalovan'ny andiam-balala ny tao Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Tsy nisy nefa ny voly simba noho ny fandraisan'andraikitry ny tantsaha niaro ny famboleny... ♦ Nandray ny andraikitra maha praiministra vaovao azy any Autralia androany Andriamatoa Anthony Albanese. Nihazo avy hatrany an'i Japon izy taorian'ny lanonana fihanianana nataony...
♦ Hatomboka amin'ny faran'ny volana jona na ny fiandohan'ny volana jolay izao ny asa fanamboarana ny RN13 mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy. Hatao tara ihany koa ny ampahan-dalana manomboka eo Ihosy amin'iny lalam-pirenena iny, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Ny eto amin'ny Faritra Analamanga no mbola ahitàna tranga vaovao maro indrindra mitondra ny tsimok'aretina Covid19 amin'ireo Faritra dimy ahitana izany. Miisa 38 ny tranga vaovao voatily tao anatin'ny herinandro... ♦ Manahy amin'ny mety hitotonganan'ny vidin'ny lavanila ny tantsaha mpamokatra ao amin'ny distrika Antalaha. Tsy sahin'ireo mpanangom-bokatra ny mividy ny vokatr'izy ireo amin'ny vidiny 75.000Ariary...
Efa hatrany amin'ny "Rerum Novarom" no nahitana ny fanampiana "tsy misalovana anadraikitra". Ity farany dia isan'ireo sori-dalana nifikirana izay nampiavaka ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina. Apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 23 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco