♦ Nihemotra ny demokrasia teto Madagasikara, hoy ny HCDDED. Nahitana taratra izany, hoy ity Filankevitra ambony ity, ny fisian'ireo toe-draharaha politika niseho tato ho ato... ♦ Anatin'ny main-tany, no heverin'ny CENI hanatanterahana ilay fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Hanomboka ny volana oktobra izany, hoy ny Kaomisera nasionaly eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Hahisty ny drafitra hanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy androany sy rahampitso ny atrik'asa handinihana izany, etsy amin'ny CCI Ivato, karakarain'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena...

♦ Hamory ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany ny Federasiôna FOM, handinihana ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Hametraka taninketsa ara-indostria zato mahery manerana ny nosy ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Baolina kitra, hanomboka amin'ny sabotsy izao ny lalao fifanintsanana hiadiana ny Amboaran'i Madagasikara Telma Coupe de Madagascar...

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony hoy izy. Ankehitriny ny fitiavana manokana ny mahantra dia mipaka hatrany amin'ireo vahoaka be tsy hita noanoa : noana, fadiranovana, tsy manan-kialofana, tsy afa-mitsabo, ireo kivy sy milaza ho resy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...