Alakamisy 19 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11

♦ Iray volana tao aorian'ny Oniversite maty sy ny Foibem-pikarohana maty, hiroso amin'ny fitokonana fanairana mandritra ny telo andro indray ny sendikà... ♦ Efa manomboka maresaka amin'ny fandraisana ireo vahiny mpizahatany ny any Nosy Be. Sidina folo isan-kerinandro no migadona any an-toerana... ♦ Maro ireo Solombavam-bahoaka tsy manatrika ny fivoriana eny Tsimbazaza. Hitondra ny heviny ato antin'izao vaovao izao ny Solombavam-bahoaka Rakotondrasoa Fetra...

♦ Ho avondrona ny mpisehatra rehetra amin'ny tontolon'ny haino aman-jery sy ny fampahalalana vaovao ka hiara-hidinika ny mikasika ny fandisoana vaovao na filazana vaovao tsy marina, ny ady amin'izany sy ireo fepetra tokony horaisina... ♦ Hiakatra fitsarana eny Anosy amin'ny 28 jona ny raharaha mahavoarohirohy ny ministra teo aloha Randrianarisoa Vaonalaroy, izay nahazoany fahafahana vonjimaika omaly... ♦ Sahia ! izay no loha-hevitra nifantohan'ny fikaonandohan'ireo vehivavy mpandraharaha na ny Women in Business andiany fahatelo, fantatra tamin'izany fa ny roa ampaha-telon'ireo vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara dia mahatsiaro ho misedra olana avokoa...

Ny fanitsiana ny olona dia zava-dehibe mba hampirindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana "correction" dia dingana iray tsy maintsy lalaovana vokatry ny fitsarana nataon'ny olona iray na  olona maro. Ny sehatra hahitàna sy hampiarana ny fanitsiana dia eo anivon'ny ankohonana, ny sekoly, ny fandraharahana, ary ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana, raha ho an'ny mpianatra, dia fanazavana faharoa ireo lesona natao teo aloha. Ny fanitsiana dia tsy tokony hiteraka ratra ho an'izay hiantefany. Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitsiana eo anivon'ny ankohonana sy ny sekoly dia mora ny mandrindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana olona iray dia tokony hifaningotra amin'ny zon'ilay olona voakasika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...