Ny andraikitra amin'ny fikatsahana ny soa iombonana dia tsy an'ny isam-batano'olona fotsiny fa an'ny fanjakana koa, satria ny soa iombonana no antom-pisian'ny fahefana ara-politika. Ohatra amin'ny soa iombonana : firaisan-kina, fandriampahalemana, tontolo iainana. Andriamanitra sy ny lanitra no soa iombonana fanaperana tokony katsahina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 12 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

♦ Mitaky ny hamerenana ireo volabe natao "Prime exceptionnelle" ho an'ny mpitantana ambony tao amin'ny JIRAMA, ny mpiasa eo anivon'ity orinasam-panjakana ity... ♦ Mitaky ny handravana ny Governoram-paritra ny Rodoben'ny mpanohitra, tao aorian'ny nilazan'ny Filohan'ny HCC fa tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana ny fisian'izy ireo... ♦ Ny 90%-n'ny mponina ao Taolagnaro no milaza fa tsy afa-po ary tsy mitondra voka-tsoa ho azy ireo ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM, araka ny tatitra navoaka androany...

♦ Tsy tratra hatramin'izao ny tanjona tamin'ny tolona 13 mey 1972, izay feno 50 taona katroka amin'ity taona ity, hoy ny mpikambana ao amin'ny hetsika 13 mey, izay hanamarika izany... ♦ Mihoa-pampana ny vola ampiasain'ny  kandidà filoham-pirenena sy ireo mpanohana azy mandritra ny fampielezan-kevitra, ka namolavola tolo-dalana iray entina hamerana ny fandaniam-bola amin'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Brunelle... ♦ Mitentina 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola avy amin'ny AFD hanatanterahana ny tetik'asa KOBABY. Kaominina miisa 26 ao amin'ny Faritra Diana no voakasiky ny tetik'asa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...