Zoma 13 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6
♦ Nitombo avo telo heny noho ny teo aloha ny vola nahiahiana fa nofotsiana teto Madagasikara tamin'ny taona 2021. Vola 1.800 miliara Ariary no nahiana fa maloto, nefa nampiasaina teto amintsika, raha ny tatitry ny SAMIFIN androany... ♦ Nasiam-panovana ny lalan-jotran'ny "téléphérique" mampitohy an'Anosy amin'Ambatobe... ♦ Tsy tratra ny tanjona tamin'ny fanatanterahana ny drafi-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary 2016-2020. Tsy nihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana teto amintsika, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, androany...
♦ Voatendry nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ho tale jeneralin'ny ARAI, Andriamatoa Rasoloharimanana Aimé. Anjara andraikitry ny ARAI ny fanatanterahana ny didim-pitsarana izay mangeja ireo harena azo avy amin'ny tsy rariny... ♦ Manangasanga ny fitokonana lavareny eny amin'ny Oniversite. Tsy afapo tamin'ny fihaonana nataony ny sendikan'ny SECES sampana Antananarivo ka hanao tombana farany amin'ny herinandro mialoha ny hirosoana amin'ny fandraisaa fanapahan-kevitra... ♦ Andrasana amin'ity anio ity ny lisitr'ireo mpilalao handrafitra ny Barean'i Madagasikara. Tsy hisy fiovana ny tetiandro amin'ny lalao ho atrehan'ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny volana jona izao...
Ny maha olom-pirenena dia ny fifanajàna, ny filaminana, izay vokatry ny fiainana ny fahamarinana, ary ireo telo ireo dia mifaningotra. Mba hisian'ny fitohizan'ny fitantanana sy ny fitondrana ny firenena dia ilaina ny fifanajana, indrindra eo amin'ny fifampitondran'ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary ny teknisiana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco