Sabotsy 7 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 62-79

♦ Tany Vohipeno sy Farafangana androany ny filohan'ny repoblika, nitokana fotodrafitr'asa maro... ♦ Hatrany amin'ny 80 tapitrisa dollard ny trosan'ny kaompaniam-pitanterana Air Madagascar, amin'izao fotoana izao, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Olona maherin'ny 500.000 amin'izao no misehatra amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tsy ara-dalàna, noho ny tsy namoahana fahazoan-dalana mitrandraka intsony. Toeram-pitrandrahana 120 isa eo farafahakeliny no iasan'izy ireo... ♦ Firenena voalaza ho nahafatesana olona betsaka vokatry ny valanaretina Covid-19 ny any Inde, raha ny tatitra avy amin'ny OMS...

14 taona niasana teto Madagasikara ny tetik'asa PROSPERER. Nisitraka tohana avy amin'izany ireo tantsaha, ny tanora, ny mpanao asa tanana, ny orinasa samihafa misehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra. Nifarana tanteraka ny tetik'asa nanomboka ny volana jona 2008 tamin'ny alalan'ny atrik'asa tao amin'ny Colbert Antaninarenina...

♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny fanehoan-kevitry ny Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy, manoloana ny tsikera nataon'ny minisitra iray taminy... ♦ Tafapetraka soa aman-tsara eny anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny taratsy fanambaram-pananana nataon'ny Minisitra Vina Marie Orléa.. ♦ Olona 1100 kosa no misitraka ny herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina avy amin'ny rian-drano any Ankafotra, Faritra Itasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...