Tsy ny fanamarinan-tena, ao aminy no nampihavanan'andriamanitra ny olombelona aminy indray. I kristy ilay endrik'Andriamanitra no namerina amintsika ny endrik'Andriamanitra very. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 1 mey 2022 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-19
Ny sira mineraly dia singa kely ilain'ny vatana isanandro, tsy vokarin'ny vatana fa entin'ny sakafo. Misy karazany roa ny sira mineraly ireo lehibe kokoa sy ireo madinika : ny calcium, phosphore, potassium, chlore, magnesium ; iode, fer, Zinc. Miteraka tsy fahasalamana ny tsy fahampian'ny sira mineraly noho izany dia ilaina hatrany ny manao fitilina raha vao misy tranga mampiahiahy amin'ny fahasalamana...
♦ Naverina hitantana ny ekipam-pirenena Barea indray i Nicolas Dupuis. Mijanona ho mpanohana voalohany ny Barea kosa i Eric Rabesandratana... ♦ Ilaina ny famerana ny fandaniam-bola ampiasain'ny Kandidà amin'ny fampielezan-kevitra hoy ny Safidy, mba hisorohana amin'ny fifanarahana miafina eo amin'ireo kandidà sy ny mpisehatra hafa, avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany... ♦ Hisy ny fanambarana lehibe ho ataon'ireo vovonana sy sendikan'ny mpiasa malagasy rahampitso mandritra ny fanamarihana ny fetin'ny asa... ♦ Raikitra ny fidinana an-dalambe any Mexique hanoherana ny famonoan'olona izay efa maherin'ny 30.000 isan-taona...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco