Rehefa nanaiky ny ho resin'ny mpaka fanahy i Adama sy Eva dia nanota, nanimba ny toetra voajanahary maha olombelona azy ireo ny fahotana. Noho izany ny fototry ny fahapotehana manjo ny isam-batan'olona sy ny fiaraha-monina dia ny fahotana. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 29 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15
♦ Nandray anjara tamin'ny fivoriana niarahan'ny parlemanta sinoa sy ny parlemanta aty Afrika i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny teknôlojian'ny fifandraisan-davitra no nanaovana ny fihaonana... ♦ Miditra an-tsehatra amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa any amin'ny Banky ankehitriny ny randrana sendikaly... ♦ Nahafa-po ny mpanao asa tanana tao Nosy-Be ny fihaonan'izy ireo tamin'ny ministry ny Asa Tanana sy ny Haitao... ♦ Nosazian'ny fitsarana any Birmania 5 taona an-tranomaizina indray ilay praiministra teo aloha, Ramatoa Aung Suun Suki...
♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco