Alarobia 27 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21
♦ Niditra an-tanety tao Toliara-II tamin'ny 5 ora folak'andro teo i Jasmine, ilay rivo-doza tao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Hivoaka an-dranomasina any amin'ny faritra atsimo-atsinanana indray izy rahampitso... ♦ Fisodrotan-karama 30% hoy ny SSM vao ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny. Tara hoy izy ireo ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hidinika amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny famaritana ny tahan'ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasa... ♦ Nohenoina teny amin'ny sampan-draharaha foibe misahana ny ady amin'ny heloka an'habaka indray ny mpanolotsainan'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Clémence Raharinirina niaraka tamin'ny Lily Rafaralahy...
♦ Mety hiditra any Toliara anio tolak'andro ilay rivo-doza Jasmine ao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Mampihatra ny fepetra miloko mena ny distrikan'i Toliara I-II, Sakaraha ary Betioky manomboka amin'ny 3 ora... ♦ Tsy tokony hampiova ny fomba hitakiana ireo "iles éparses" ny fahalanian'Andriamatoa Emanuel Macron ho filoha frantsay, hoy ny antoko V.H.T. Miantso ny fanjakàna hanamafy ny hetsika fitakiana ireo nosikelintsika ireo ity antoko ity... ♦ Nihena 20% ny taham-pahafatesan'ny zaza malagasy latsaky ny dimy taona, vokatry ny aretina tazomoka. Fihenàna, vokatry ny fanampian'i Etazonia tamin'ny ady natao, nanomboka ny taona 2008, hoy ny tatitry ny masoivoho amerikana...
Ny lahabolana dia zava-kanto ventesina am-bava efa nisy teto Madagasikara talohan'ny nahatongavan'ny soratra. Ny lahabolana dia misy isan-karazany na isam-paritra na isam-poko, ohatra : toakatoaka, jijy, saova, sokela. Ny lahateny dia teny maro harindra, natao na hovoizana loha-hevitra iray ary arindra anaraka rafitra. Ny lahabolana na efa misy noraiketina an-tsoratra aza dia mijanona ho lahabolana hatrany, ny ankoatra izay dia literatiora.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco