Ny fahantrana dia misy antony avy amin'ny hafa. Ny fanaparam-pahefana sy ny fanodikodinana ny fahamarinana dia loharanon'ny fahantrana. Nametrahana adidy ny olona hendry araka izay voasoratra hoe : hamaivano ny fijalian'ny mahantra. I Jesoa Kristy dia nanasongadina hatrany ireo mahantra araka izay voalazany, satria tokoa, na mpanankarena azy Izy dia tonga mahantra noho ny amintsika. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Talata 12 aprily 2022 — Talata Masina  — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38

♦ Anatin'ny Herinandro Masina, hafitoana mialoha ny fankalazana ny Paka isika. Nanomboka omaly, Alahadin'ny Sampankazo hatramin'ny Sabotsy Masina alina izany... ♦ Hiara-misalahy amin'ny fisorohana ny loza isan-karazany ny Pôlisy sy ny Zandary amin'ny fetin'ny Paka. Hanomboka anio ny fidinan'izy ireo an-kianja ka tsy hifarana raha tsy ny ampitson'ny Paka... ♦ Hiova ny paikady entin'ny ZDS, fari-piarovana sy fandriam-pahalemana, hiadiana amin'ny asan-dahalo. Nozaraina ho faritra telo ny ZDS Ikopa...

♦ Hotanterahana ny alarobia 13 aprily 2022 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena ny "Messe chrismale" eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nosantarin'ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao amin'ny Distrika Antanambao ny Herinandro Masina... ♦ Mivahiny any Kiev mandritra ity herinandro ity ny Aomônie Apôstôlika, Kardinaly Krajewski...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...