Alatsinainy 28 febroary 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

Amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ny fiainan'izao tontolo izao no anehoan'ny kristiana lahika ny firotsahany, ka ny toe-tsain'ny Evanjely no iainany indrindra eo am-panatanterahana ireo adidy sy andraikitra. Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra ihany koa ny lahika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alahady 27 febroary 2022 — Alahady fahavalo mandavan-taona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-45

♦ Tsy tokony atambatra ho ministera iray intsony ny serasera sy ny kolontsaina fa mifanipaka, hoy ny fiombonamben'ireo fikambanana ara-drazana eto Madagasikara... ♦ Nahazo tale jeneraly vaovao ny Madagascar Airlines. Mitohy ny fanarenana ity kaompania an'habakabaka malagasy ity, fiaramanidina Ambraer no hisahana ny sidina anatiny... ♦ Hanomboka ny fanamboarana ireo lalana ratsy rehetra eto Antananarivo, harahi-maso ny fanamboarana hoy ny Governoran'Analamanga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...