♦ Hiditra an-tanety anio takariva, eo anelanelan'i Mahanoro sy Mananjary, ilay rivodoza Batsirai. Tany amin'ny 302 km, atsinanana somary avatra atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teo... ♦ Mijery ny fomba rehetra hiahiana ireo mponina any amin'ny Faritra Vatovavy sy any Fitovinany ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miato avokoa ny asa fitaterana, zotra rezionaly sy nasionaly rehetra, nanomboka omaly, hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana, ho fiarovana ny ain'ny mpandeha amin'izao fiavian'ny rivodoza izao...

Ny finoana no antoky ny faharetana. Manoloana ny fanenjehana hatramin'ny fanamelohana  ny mpianatr'i Kristy dia ambarany fa : "izay maharitra hatramin'ny farany no voavonjy" (Mt 11, 22). Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

Sabotsy 5 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

♦ Notanterahana ny sabotsy 29 janoary teo ny atrik'asa fanomanana ny JMJ Mada-10, hotanterahana any Antsirabe... ♦ Ny 28 hatramin'ny 30 janoary 2022 ny Antenimieran'ny Vovonan'ny Diosezy Katolikan'ny Tanora tao Ambanja... ♦ Notsofin-drano sy napetraka tamin'ny 29 janoary teo ny vatofototry ny Centre Communautaire, ao amin'ny Paroasy Notre-Dame du Rosaire Feterezana Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...