Anjara toeran'ny mpanabe eo amin'ny fandanjalanjana ny antso : Mitaratra ny fiainam-panahy, fiaraha-monina, fahalalana ary fahasalamana. Tombanana mba hirindra tsara ireo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Mahatsapa tsindry ataon'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana amin'ny asam-pitsarana ireo mpitsara. Nasongadin'ny Filoha vaovaon'ny Sendikan'ny Mpitsara izany, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, androany... ♦ Mimenomenona ny Sendikan'ny Polisy, SEFPONAM, manoloana ny nampiasana ireo Polisy sasany hanala tsikafona sy nisokitra tatatra tao an-drenivohitra, farany teo. Nilaza ho naharay fitarainana maro avy amin'ny Polisy nandray anjara tamin'izany ity sendika ity...
♦ Miisa 5 ireo traboina teto an-drenivohitra no voamarina fa mitondra ny tsimok'aaretina Coronavirus. Efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ireo... ♦ Vita ny asa fametrahana ny toby famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano ao Farahantsana Mahitsy. Hanomboka tsy ho ela ny andrana ara-teknika hampiodinana izany toby vaovao izany... ♦ Manara-maso akaiky momba ny hetra aloa amin'ny trano ao an-drenivohitra ny vaomiera misahana ny fanjakàna tsara tantana ao amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra manoloana ny fitarainana samihafa...
♦ Misokatra ho an'ny fiarabe mpitatitra entana ny lalam-pirenena faharoa. Vita omaly ny tetezam-by ao Ambarolava-Moramanga, nijery ny asa ny filohan'ny Repoblika... ♦ Tafiakatra 41 ny isan'ny maty teto amintsika nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy farany teo. Mbola mitoetra ho an'ny lemak'Antananarivo ny filazana loza mitatao... ♦ Natsahatry ny zandary ny fampiofanana ao amin'ny sekoly ambonin'ny Zandarimaria ao Moramanga, nalefa nanampy ny vahoaka ny mpianatra...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco