♦ Hijery manokana ny fanampiana ireo traboinan'ny rivodoza Batsirai ny vondrona erôpeana, araka ny fanambaràn'ny masoivohony miasa eto amintsika. Nisy ny fikaonandoha niarahana tamin'ny Firenena Mikambana... ♦ Efa azo ampiasaina amin'ny ampahany ny RN-7, taorian'ny fahatapahany, azo hifamoivoizana hatreo Ambalavao, hoy ny ministry ny asa vaventy... ♦ Kendrena ho voavaha tanteraka amin'ity volana ity ny "délestage" amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, hoy ny eo anivon'ny Jirama. Hanampy an'i Andekaleka amin'ny famokarana herinaratra ny ao Farahantsana...

Filira : fandaharana isan-kerinandro, hivohizana ny maha malagasy. Fandaharana iresahana : fitsipika, literatiora, riba. Ny tanjona dia ho fanabeazana sy fitaizana. Misy fandraisana "SMS" sy "Antso" mivantana. Fitsipika : hiresahana ireo fomba fanoratra, fiforonan'ny teny, ireo fiteny marina. Literationa : fanazavana ny atao hoe Kanto, literatiora isam-paritra, kabary... Riba sy ny fomba toy ny fanorenana trano, famorana... Fandaharana iarahana amin'ny Akademy Malagasy sy ny mpanentana Tsilavina-Jules.

♦ Nivoaka tamin'ny fahanginana, nanoloana ilay horonam-peo niparitaka tamin'ny Facebook ny ministry ny fitsaràna omaly, efa misy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity... ♦ Miverina indray ny "kidnapping" karana ao an-drenivohitra. Zazalahikely 3 taona no nisy naka an-keriny teny Ambodivonkely-Ambohimanarina... ♦ Tafakatra 21 ireo namoy ny ainy, noho ny fandalovan'ny rivo-doza Batsirai, 70.335 ireo traboina, hoy ny BNGRC, izay tatitra vonjimaika farany...

Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...