Talata 8 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13
♦ Tsy mihevitra ny haka ny toeran'ny Praiminisitra ny tenako, hoy ny Minisitra Imbiky Herilaza, androany. Miantso ny rehetra hiandry am-pitoniana ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ilay resaka niparitaka tamin'ny Facebook, ihany koa izy... ♦ Zazalahy kely 3 taona, zanaka karana mpandraharaha no nisy naka an-keriny androany, teny Ambodivonkely Ambohimanarina... ♦ Tafakatra ho 82 ireo olona namoy ny aniny tany Ikongo, vokatry ny rivodoza Batsirai, raha ny tatitra avy amin'ny Solombavam-bahoaka avy any amin'ity Distrika ity...
♦ Nandefa hafatra ho fiombonam-po amin'ireo traboina noho ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mankasitraka ny herim-po ananan'ireo vehivavy relijiozy sy manokan-tena ny Papa François... ♦ Nanatanteraka zaikabe rezionaly ny Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa ao Toamasina...
♦ Efa Miha-manalavitra tanteraka an'i Madagasikara ilay rivodoza Batsirai, vaovao avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Nahafaty olona 12 ny firodanan'ny trano tany Ambalavao, vokatry ny fandalovan'i Batsirai. Rava ny fonja ao Ikongo, voatery nampidirina an'efitranon-tsekoly ireo voafonja... ♦ Feno 13 taona katroka androany ilay raharaha fitifiran'olona teny Ambohitsirohitra ny 07 febroary 2009. Tsy misy tohiny ny fanadihadiana hatramin'izao...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco