Alahady 6 febroary 2022 — Alahady fahadimy mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11
♦ Hiditra an-tanety anio takariva, eo anelanelan'i Mahanoro sy Mananjary, ilay rivodoza Batsirai. Tany amin'ny 302 km, atsinanana somary avatra atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teo... ♦ Mijery ny fomba rehetra hiahiana ireo mponina any amin'ny Faritra Vatovavy sy any Fitovinany ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miato avokoa ny asa fitaterana, zotra rezionaly sy nasionaly rehetra, nanomboka omaly, hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana, ho fiarovana ny ain'ny mpandeha amin'izao fiavian'ny rivodoza izao...
Ny finoana no antoky ny faharetana. Manoloana ny fanenjehana hatramin'ny fanamelohana ny mpianatr'i Kristy dia ambarany fa : "izay maharitra hatramin'ny farany no voavonjy" (Mt 11, 22). Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.
Sabotsy 5 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco