Voaantson'Andriamanitra hanohy ny fihariana ny mpivady. Adidy masina anatin'izany ny fanabezana ireo taranaka. Araka ny soatoavina hampitain'ny fiangonana : "zaro amin'ny làlana tokony halehany ny zaza.".

Inona no lalana amin'ny antso fototra ?. Valin-teny tsy lavitra : Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Misy endrika roa atao hoe antso fototra dia : ny fanokanan-tena amin'Andriamanitra sy ny fanambadiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Zoma 21 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19

♦ Nihemotra i Madagasikara tao anatin'ny telo taona raha ny famakafakana nataon'ny antoko Vahoaka Miray. Olana ny tsy fihenoan'ny mpitondra ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena, hoy Gaby Vakiniadiana... ♦ Tsy nisy ny politika fiahiana ny mpiasa malagasy hoy ny Sendika FISEMARE. Tombana naton'izy ireo tao anatin'ny telo taona... ♦ Mihanaka ny valan'aretina Covid any amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Ny 12 tamin'ny fitiliana 120 natao tao anatin'ny 24 ora no miabo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...