♦ Hihamafy ny rotsak'orana amin'ny Faritra maro hatramin'ny faran'ny herinandro raha toa ka somary hihena izany ho an'ny Faritra Analamanga ; tsy hisitraka rotsak'orana ny faritra atsimon'ny nosy... ♦ Miato ny fampianarana rehetra amin'ireo sekoly anatin'ny faritra mena sy mavo manerana ny nosy hoy ny MInisteran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Maherin'ny 12.000 ny isan'ny traboina noho ny rano miakatra eto Antananarivo, 2.400 mahery ny trano dibo-drano...
Fanontaniana tonga ao an-tsaina ny hoe : inona atao hoe masina?. Ny masina dia madio mangatsakatsaka, tsy misy azo am-pitahaiina aminy, tsy manan-tsahala, lavorary, tokana. Aoka ho masina tahaka an'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 20 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
♦ Hihena ny rotsak'orana ho an'ny faritra Analamanga siangy mbola hitohy hatrany izany hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihamafy ny any amin'ny Faritra hafa hoy ny météo Malagasy... ♦ Miato hatramin'ny zoma izao ny fampianarana any amin'ireo faritra mena sy mavo voasokajy ho tandindomin-doza amin'ny rotsak'orana... ♦ Miara-mientana hanatratra ny fanamby amin'ny fampiakarana ny vokatra ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakàna malagasy...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco