Ambaran'ny Konsily Vatikana faha-II fa "manambara mialoha ny fitsanganan-ko velona rahatrizay sy ny voninahitry ny fanjakàn'ny lanitra ny fiainan-drelijiozy (LG42). Santatr'izany sahady ny fiainana ny fahavirijiniana mialoha ny fiainana rahatrizay. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alatsinainy 17 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22
Isika tokoa dia tsy manana tanàna maharitra eto an-tany (He 13,14), fa "mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra" (Fil 3,20), "izay misy ny harenao no hisy ny fonao" (Mt 6,21). Tokam-po hitia an'Andriamanitra izy ireo ka sahy mijoro ho vavolombelon'ny Fanjakany izay hany harena tena marina. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alahady 16 janoary 2022 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco