Amim-pinoana no tokony hanekena ny lehibe mpitarika, sy tokony hanampian'ny relijiozy azy hikaroka ny sitrapon'Andriamanitra. Adidin'ny tsirairay ny manaiky ary manatsara ny iraka ankinina aminy, relijiozy matotra sy tompon'andraikitra ianao amin'izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alarobia 12 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
♦ Pretra iray no naratra mafy noho ny fanafihana nahazo azy tao Beraketa any Androy. Efa nanomboka nahatsiaro tena izy androany... ♦ Vonona hiara-miasa amin'izay te hampandroso ny Tanindrazana ny Fiangonana Katôlika, hoy ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka androany, tao aorian'ny fiarahabana ny Filoha mivady teny Iavoloha... ♦ Efa azo lazaina ho tratra kosa ny "PIC" tamin'izao andiany fahatelo amin'ny Covid-19 eto Madagasikara izao, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mpitsabo. Ilaina hatrany anefa ny fampiharana ireo fepetra sakana...
♦ Ho tambazana vola be izay manome vaovao momba ny nahatonga ny firehetan'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Nilaza ny filoham-pirenena fa hasomparana no nampisy fahavoazana tany an-toerana... ♦ Mandrahona ny hamoaka datim-panadinana iraisana ho azy ny vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, rehefa tsy hamoaka ireo tetiandrom-panadinam-panjakàna amin'ity taona ity ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Namoizana ain'olona indray ny fihinanana soka-dranomasina "fano" tany amin'ny distrika Antsiranana-II. Ankizivavy iray no maty, 18 hafa narary...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco