♦ Niezaka nampitovy tadin-dokanga niaraka tamin'ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 25 ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, tanjona ny hiady amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Nosantarina tao amin'ny distrika Tsihombe, Faritra Anosy ny fizaràna ambioka ho an'ny faritra atsimon'i Madagasikara hiatrehana ny taom-pambolena lehibe amin'ity taona ity... ♦ Miverina avokoa ny fampianarana any amin'ireo Faritra tsy voalaza tao anatin'ilay naoty farany navoakan'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena...

♦ Miroso ny fanomanana ny JMJ Mada andiany faha-10. Nisy ny iraka nataon'ny VPKT tany Antsirabe tamin'ity herinandro ity... ♦ Malalaka ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Misy amin'ireo sekoly no efa miomana amin'ny fanampiana ireo mpianatra raha toa ka mbola hihitatra aorian'ny 17 janoary ny fidirana...

Raha vao voatendry ny lehibem-pikambanan'ny relijiozy iray dia tsy tokony hampiasa ny fahefana, izay omena azy, araka izay tiany hatao, fa ampiasainy ho fitaovana hanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izany. Ny torolalana harahina dia mifototra amin'ny Lalam-panorenan'ny fikambanana, ny fanomezam-pahasoavana ary ny fivoriam-be.  Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Sabotsy 8 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...