Maro ny olana ara-pananahana ankehitriny ka ilaina ny herivelon'ny Fiangonana hiaraka handray andraikitra amin'izay tandrify azy hanabe ny olona amin'ny fanajana ny soatoavina kristianina amin'ny lafiny ara-pananahana.
17 desambra — Ny Lazare resahana amin'ity andro anio ity dia ilay anadahin'i Marthe sy i Marie tao Béthanie, naman'i Jesoa ary natsangany ho velona. Niharitra ny fanenjehana noho ny finoana an'i Kristy izy io. Voalaza fa folo taona tao aorian'ny niakaran'i Jesoa dia natsipin'ny Jody tao anaty lakana tsy misy fivoy izy telo miandahy ireo, niaraka tamin'ny kristianina hafa.
Rehefa vita ny fiofanana eny amin'ny seminara zandriny dia miroso mankeny amin'ny seminera propedetika manohy ny fiofanana no sady manomana ny saina amin'ny fampianarana ambony mandritra ny taona iray. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Zoma 17 desambra 2021 — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco