"Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Zazakely hitondra fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo mahantra izay ao am-pon’ny Papa François", io no votoatin'ny firarian-tsoa nataon'ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, tamin'ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny Noely 2021 sy ny Taona vaovao 2022. Mankahery azy ireo izy mba handroso hatrany ho amin'ny tontolon'ny Hazavana.
Ny fanomanana hitondra vahoakan'Andriamanitra no hobanjinina mandrakariva mandritra ny fampianarana ny seminarista. Mbola any amin'ny toeram-piofanana dia efa mirotsaka sahady eny amin'ireny sehatra pastoraly misy amin'ny Eglizy izy, maka traikefa sy mianatra, manampy an'ireny Aomoneria ireny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Nambaran'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny firarian-tsoan'ny Noely fa tsy nahasakana ny fahatongavan'i Jesoa tonga eo anivontsika ny fahantran'ireo ray aman-dreniny, ka na eo aza ny fahoriana sy ny fahantrana iainantsika ankehitriny dia tonga miara-dia amintsika i Jesoa amin'izao Noely izao. Enga anie ho tany fialofana ho an'ny vahoaka malagasy rahatrizay ny tany izay injadian'ny mosary ankehitriny.
Sabotsy 25 desambra 2021 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco