Alakamisy 16 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 24-30
♦ Hisokatra manomboka rahampitso ny seranam-piaramanidina nasiam-panavaozana etsy Ivato... ♦ Nodisoin'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera amin'ny hamoahany vola vaovao... ♦ Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny tolakandro teo ny tolo-dalana tsy nampitovy hevitra ny farmasianina sy ny "dépôt de médicaments"...
♦ Ho tanterahana eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza anio tolakandro, ny fivoriana azon'ny be sy ny maro atrehina, hankatoavana na tsia ny fanenjehana an'ireo manam-pahefana ambony eny amin'ny HCJ... ♦ Ny 96%-ny haba tokony hiditra amin'ny fadintseranana izay voafaritra tao anatin'ny LFI 2021 ankehitriny no efa tafiditra... ♦ Anatin'ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-tontolo iainana ankehitriny ny tetik'asa télépherique ao Antananarivo, mba hijerena ny hanafoanana tanteraka ny mety ho voka-dratsin'izany. Natao teny Mahamasina ny fakana hevitry ny vahoaka Malagasy...
Tamin'izany andro izany, raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo".
Tamin'ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra; ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromahailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: "Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra".
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco