♦ Entina hihazo an'Antsirabe ny alatsinainy 20 desambra izao ny Lakroan'ny JMJ Mada. Hetsika hisantarana ny fandraisan'ny diôsezin'Antsirabe ny JMJ andiany faha-10, amin'ny taona 2022... ♦ Mitohy omaly ny fitsaràna ireo voarohirohy amin'ilay raharaha Apollo 21. Jeneraly roa no anisan'ny nohenoin'ny fitsaràna, ankoatra ny mpiasa iray eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara... ♦ Misy amin'ireo sekoly ao an-drenivohitra no efa nampiato ny fampianarana amin'izao. Niteraka resa-be ihany izany fampitsaharana fampianarana izany, noho ny resaka fiparitahan'ny Covid-19...

Tsy mitovy fa arakaraka ny Fivondronamben'ny Eveka isa-pirenena ny rafitry ny dingam-piofanana maha-pretra. Amin'ny ankapobeny eto Madagasikara, aorian'ny bakalorea, miofana mandritra ny sivy taona ny tanora iray vao miroso amin'ny sakramenta fandraharahana masina ho Diakra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Talata 14 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32

♦ Hiainga hiazo ny Diôsezin'Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra izao ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Miditra amin'ny herinandro faharoa nanomboka androany ny fitsarana ny raharaha Apollo 21... ♦ Endrika jadona no nandikan'ny RMDM ny sakana nahazo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, tany Toliara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...