♦ Hiainga eto Antananarivo, ho any Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra 2021 ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Notokanana omaly ny Fiangonana Notre-Dame de Lourdes, Miaramasoandro Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino handray anjara amin'ny soa iombonana, mandritra ny vanim-potoanan'ny Fiaviana ny Papa François...
♦ Nahazo ivo-toerana voalohany fikarohana momba ny Vaksiny isika eto Madagasikara. Anisan'ny hokarohina amin'izany ny Covid-19, ankoatra ireo aretina mateti-pitranga eto amintsika... ♦ Mitaky ny hametrahana "Etat Régional" eto Madagasikara ny antoko Gasy-Mi hisian'ny fitsinjaràna ara-pitantanana. Izany hoy izy ireo, no vahaolana mety hanarenana ny firenena sy hisian'ny fampandrosoana isam-paritra... ♦ Tsy hamoaka ny naotin'ny mpianatra eny amin'ny sekolim-panjjakànaireo mpampianatra Fram any Fitovinany amin'izao fanadinana 3 volana voalohany izao. Fitakiana tambin-karama sy "aide spéciale".
♦ Voasakana ny hetsika nataon'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Toliara omaly, andro nanamarihana ny tsingerin-taona faha-72 nahaterahany. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso... ♦ Olona 8 no matin'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 7andro, Nanafosafo ny arivo ny tranga vaovao, hoy ny MInSanté... ♦ Milaza ho tsy mankatoa ny filoha ireo ligim-paritra 12 amin'ny 14, eo anivon'ny federasiôna malagasy Karaté Do, noho ny tsy fetezam-pitantanana, miantso ny Ministera mpiahy izy ireo...
Hevitra roa no afahana manazava ny hoe "fiofanana" eto : ny mikasika ny dingam-piofanana ary ny mikasika ireo andry efatry ny fiofanana maha-pretra (ara-pastoraly, ara-pahalalana, ara-panahy, ny lafiny maha-olona). Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco