Ny Eglizy dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra. Mahefa be ny Eglizy rahefa ahafahan'ny zatovo manao ny anjarany amin'ny famelomana ny ain'ny Eglizy. Ireny olona voaantso manokana ireny dia matetika no niainga avy amin'ireo karazam-pikambanana masina eo amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Tontosa androany teny Alarobia ny famindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny CENI teo aloha sy ny filoha vaovao, mandimby azy... ♦ Mpisehatra amin'ny fiompiana 300 mahery manerana ny nosy no mandray anjara amin'ilay dinik'asam-pirenena momba ny fiompiana etsy amin'ny CCI Ivato. Fihaonana mandritra ny telo andro manomboka androany... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana ny 4 tamin'ireo dahalo dimy nanafika sy nahafaty ny mpiasan'ny fikambanana tsy miankina iray tany amin'ny kaominina tranomaro Amboasary-atsimo...

Alakamisy 9 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15

♦ Niatrika ny mpitsara androany, ilay teratany frantsay François Marc Philippe, voarohirohy amin'ny rahaharaha "Apollo 21"... ♦ Nihatsara ny fivoaran'ny fiaraha-monim-pirenena teto amintsika ho an'ny taona 2020, araka ny tatitra navoaka androany... ♦ Nitondra ny hetahetan'ny tantsaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ireo mpianatry ny sekoly ambony FORMAGRI, niofana ho mpitarika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...