Nihaona tamin’ny Papa François ny talata 30 novambra 2021 ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava. Maro ny dinika nifanaovan’izy ireo : ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy, ny JMJ 2022, ireo diosezy mbola tsy manana eveka… Indro ary ny hafatra manokana avy amin’ny Papa François ho an’ny vahoaka Malagasy tao aorian’ny fihaonan’izy ireo.

Ny fanehoana fitiavana dia ilaina,  na eo amin'ny mpianakavy na eo amin'ny olona roa. Ndeha ho sokajiana toy ny fanadinana na enti-mody ny fanehoana fitiavana, inona no havoakan'ny fanombanan-tena nataontsika? Inona no tokony hatsaraina?  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Amperin'asa nanomboka omaly ny mpikambana vaovao ao amin'ny CENI. Notanterahana omaly ny lanonam-pitsaràna nanaovan'izy 9 mirahalahy fihanianana teny Anosy... ♦ Hihaona, etsy amin'ny CCI Ivato, indray anio ny solombavambahoaka sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta... ♦ Misoko mangina ny fitomboan'isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Nanamarika ny andro eran-tany iadiana amin'ny Sida isika omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...