♦ Nofaranana ny 28 novambra tamin'ny alalan'ny fiaraha-miombom-bavaka tao amin'ny EKAR Masindahy Piera Ambohipo, ny Zaikabe faha-9 sy ny Kômity Foibe faha-43, ho an'ny FFKM... ♦ Notsofin-drano sy notokanana tamin'ny 27 novambra ny Maternité natokana hikarakarana ireo mahantra sy sahirana, sahanin'ny Salezianina Don Bosco, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanolotra fampianarana lalina mikasika ny fifohazana ara-panahy tena ilaina amin'ny alalan'ny vavaka ny Papa François, nandritra ny vavaky ny Angelus...

♦ Ampiantsoina eny amin'ny Senat rahampitso ireo olom-panjakàna ambony teo aloha miisa 13, nisy nitory teny amin'ny HCJ... ♦ Hentitra ny FFKM nampahafantatra tamin'ny hafatra, ho famaranana ny komity faha-43 sy ny zaikabe faha-9-ny FFKM teny Ambohipo, omaly, nilaza fa maro ny asa miandry ny mpitondra... ♦ Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny Ministère de la Santé Publique, ny amin'ny nahafaty ilay zazalahy 10 taona, voalaza namoy ny ainy vokatry ny fihinanana odin-kankana tany an-tsekoly...

Entanin'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany mba handray anjara amin'ny fanatanterahana ny sinaodin'ny eveka 2021-2023 araka ny lohahevitra hoe: "Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana".

Tsy mora ny mihaino sy mamantatra ny antso manokana hiantson'Andriamanitra antsika, hizorana mankany amin'ny fahamasinana ka tsy afaka ny hitompo teny ho fantatra. Mba tsy hivoana dia ilaina mandrakariva ny fisian'ny hafa hanampy antsika hamantatra ny tokony hatao. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...